Fampidirana ny Epistily nosoratan’i JAKOBA
Ity epistily ity dia anisan’ireo atao hoe « Epistily katolika » (na taratasy ho an’ny rehetra).
Iza ? Taiza ? Oviana ?
Jakoba dia mpitarika ny fiangonana voalohany tao Jerosalema, niaraka t@ Petera sy Jaona (Gal 2:9,12), dia ilay rahalahin’ny Tompo (Gal 1:19). Mety ho anisan’ny rahalahiny tsy nino an’i Jesoa izy, fa taorian’ny nahafatesany sy nitsanganany t@ maty dia nisehoan’i Jesoa izy ary hita tao afovoan’ireo olona 120 tafavory tao Jerosalema niandry ny hilatsahan’ny Fanahy Masina (Jn 7:5; 1 Kor 15:7; Asa 1:14-15). Rehefa namangy azy ry Paoly, nony taty aoriana, dia nasehony azy ireo fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa nino tao (Asa 21:18,20). Niharan’ny fahatezeran’ny Jiosy anefa Jakoba t@ farany, noho ny fankahalan-dry zareo ny Tompo.
T@ taona 62, talohan’ny nahafatesan’i Paoly, dia nosamborina i Jakoba t@ andron’i Anasy-zandriny ka notoraham-bato (Araka ny lovan-tsofina hafa dia nazera t@ tilikambon’ny tempoly izy ary novonoina t@ fanoto)
Tsy mba nanohitra mivantana ny fahotana firesaky ny mpanoratra maro i Jakoba toy ny fanompoan-tsampy na ny fijangajangana; fa ny @ fahotana mbola ankafizin’ny kristiana maro na ifikirany no toheriny, dia ilay filazan’ny olona matetika hoe: »fahalemena » toy ny: mihaino ny TA @ sofina havia fa mamoaka izany @ havanana, anarany mba mino fa tsy hita @ asany, tsy mahatam-bava, manavakavaka, fireharehan’ny mpanankarena, …
Tany Jerosalema no nanoratany tokotokony ho t@ taona 49 na talohan’izany araka ny voalazan’ ny mpandinika.
Ho an’iza ?
Nahafoy ny ainy noho ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly t@ Jiosy Jakoba, koa azo lazaina ho nosoratana ho an’ny jiosy ny epistily, dia ho an’ny zanaka am-pielezana jiosy, na kristiana izy na tsia. Ny and. 1:18; 2:1,7; 5:8 anefa dia mahatonga hihevitra fa kristiana no anoratany.
Inona ?
Ny foto-kevi-dehiben’ny Epistily dia ny « finoana miasa (na arahin’asa) » eo @ fiainana andavanandro, izay nataony fampianarana sy fananarana ho an’izay mamaky, indrindra ho an’izay mihevitra ny tenany ho mino. Ireto no hevi-dehibe anisan’ny novoizin’ny mpanoratra @ izany:
a) Ny finoana marina sy velona, @ alalan’ny fandinihana sy fankatoavana ary fampiharana ny TA, arahin’asa toy ny nataon’i Abrahama (t@ nahasahiany nanatitra an’Isaka hatao fanatitra teo ambony alitara) sy Rahaba janga t@ nandraisany ny iraka sy nanoroany lalana azy (1:21-25; 2:14-26)
b) Ny faharetana azo avy @ fizahan-toetra ny finoana dia mahatonga ny tena hanao asa tsara sy hanantena ny Tompo (1:2-4,12; 5:7) ka mila alaina tahaka na ho fianarana ny faharetan’ireo Zoky tany aloha, toa an’i Joba (5:10-11)
d) Ny fahendrena avy any ambony, izay tsy araka ny ety an-tany ihany na ny an’ny demonia,
dia mila angatahina @ finoana @ Atra, Izay manome malalaka ny fanomezan-tsoa sy fanomezana tanteraka rehetra avy any ambony (1:5-8,16-18; 3:13-18) mba hananana fitondrantena tsara eo @ fiaraha- monina sy @ fiainana andavanandro
e) Ny harena, izay loza mananontanona
– ho an’ny mpanankarena satria mety hiteraka fireharehana na fanambonian-tena manoloana ny hafa kanefa zava-mandalo ihany (1:9-11); na ny harena no hitokisany ka hanitsakitsahany ny malahelo sy tsy hijereny ny andro farany (2:6-13; 5:1-6)
– ho an’ny hafa fa mety hahatonga azy hanavakavaka ny mpanankarena @ mahantra (2:1-9).
Araka izany, ny mino dia mila mitandrina sao dia havilin’ny harena ny fony ka hanadino an’Atra ary tsy ho tia ny namana (Mt 6:21,24)
f) Ny filan’ny olona no loharanon’ny fakam-panahy sy mahatonga ady isan-karazany (1:13-15; 4:1-3) ka tsy tokony hailika @ Atra
g) Ny lela dia mila fehezin’ny mino mba hampisy lanjany ny vavaka ataony (1:19,26); mba hitandrovany ny fifandraisana @ hafa (3:1-12; 4:11-12); mba tsy hireharehany @ izay programa na fifanekena ataony fa hitokisany an’Atra kosa (4:13-16; 5:12)
h) Ny vavaka dia tokony ho rivotra iainan’ny mino na @ fahoriana na fifaliana, na @ aretina na t@ ota natao, na @ faniriana amam-pikasana rehetra (5:13-18) fa mihaino sy mamaly ny vavaky ny mino Atra.
Nahoana ?
Tsy mahalala firy ny @ toe-java-nisy nahatonga an’i Jakoba hanoratra isika. Ny tsikaritra ao @ epistily dia nandalo fizahan-toetra samihafa ireo anoratana, nisy fifandraisana tsy nilamina tao satria ahitana olona kely fahendrena (1:5; 3:13-17), nanao ny tenany ho ambany na ambony (complexés- 1:9-10), be lolom-po (1:21), miseho ho mpivavaka be (1:26-27), nanavakavaka na nanao tsinontsinona ny mahantra (2:1-9), be vava nanafintohina (3:10), tia ady sy mpanaratsy ny hafa (4:4,11), be monomonona (5:9), sns …
Noho izany dia angamba nisy t@ ireo zanaka am-pielezana nitady ho kivy, tao ireo te-hiverina hisakaiza @ i.t.i sy toa ho azon’ny fanangolen’ny devoly (4:4-8) ka naleon’i Jakoba manoratra ho fampianarana sy fananarana ary famporisihana sy fampitandremana. Ny teny miverimberina ato dia ny @ faharetana (1:3,4,12;5:7,8,10,11) izay tian’ny mpanoratra hananan’ny mpamaky eo @ fiainany.
Ahoana ?
Mba hampitany izay tiany hambara dia nampiasa sary na kisarisary maro i Jakoba (1:6,10,23; 2:15; 3:3-12), nampahatsiahy ohatra (2:21-26; 5:10-11,17-18), naneho izay heveriny ho marina (1:15; 2:13; 4:1; 5:3-6), nampiditra mpandray anjara tsy hita maso (interlocuteur fictif- 2:18-20; 5:13-15) ary nanao fomba fiantso hoe « He ianareo… » (4:13; 5:1).
Azo zaraina telo tahaka izao ny epistily:
1.- Ny fizahan-toetry ny mino 1 : 1-18
a) Ny tanjon’ny fizahan-toetra (1-12)
b) Ny loharanon’ny fakam-panahy (13-18)
2.- Ny toetra takiana @ mino 1 : 19- 5 :6
Ny mino dia:
a) mankatò ny TA (1:19-27)
b) tsy manavakavaka fa mihevitra ny rehetra ho mitovy (2:1-13)
d) manaporofo ny finoana @ asany (2:14-26)
e) mahafehy ny lelany (3:1-12)
f) mampiseho ny fahendrena @ fitondrantenany (3:13-18)
g) tsy mpila ady, tsy mpisakaiza @ i.t.i, tsy manaratsy rahalahy fa manetry tena (4:1-12)
h) miankina @ Atra fa tsy mitoky @ harena (4:13-5:6)
3.- Ny fandresen’ny mino 5 :7-20
Ny mino dia :
– maharitra sy mahatanty miandry (7-12)
– mivavaka ho an’ny azom-pahoriana (13-18)
– mampiverina ny mpanota @ lala-marina (19-20)
GBA – Avrily 2012.
Commentaires récents